Natao ny 22 janoary teo ny atrikasa nampahafantarana sy nampianarana ireo mpisehatra momba ny harena an-kibon’ny tany ao Toamasina, faritra Atsinanana. Satria zava-dehibe ho an’ny toekarena sy ny sandam-bola malagasy ny fanondranana any ivelany sy ny famerenana ny vola vahiny azo avy aminy. Araka izany, anisan’ny noresahina ny lalàn’ny fifanakalozana mifehy ny fanondranana sy ny famerenana ny vola vahiny na devizy eto Madagasikara. Notsindrin’ny talem-paritry ny Harena an-kibon’ny tany (DRMRS), Randriamaniraka Clément Richard, fa araka ny voasoratra anaty lalàna, tsy afaka manohy ny asa fanondranana intsony, raha tsy tafaverina ireo vola vahiny, ankoatra ny sazy izay ataon’ny sampandraharaha Finex, Rantsamangaika ao amin’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, misahana ny fifanakalozam-bola amin’ny any ivelany.
Ivon’ny fampandrosoana ny firenena sy ny fitiavan-tanindrazana ny famerenana ny vola vahiny. Koa, nanentana ny mpisehatra rehetra hiditra amin’ny sehatry ny ara-dalàna ny avy ao amin’ny Fitantanam-paritry ny Harena an-kibon’ny tany, faritra Atsinanana.
Njaka A.




