Mila hatsaraina ny famokarana sy ny fanodinam-bokatra eto Madagasikara mba hialantsika amin’ny fiankinandoha amin’ny fanafarana entana avy any ivelany. Tokony homen-danja sy atao laharam-pahamehana ireo tetikasa mifototra amin’ny famokarana. Tombony ho antsika ny fananana ireo loharanon-karena samihafa azo trandrahina sy hanatsarana ny fari-piainan’ny mponina ary indrindra hanatsarana ny seha-pamokarana sy ny toekarem-pirenena.
Miisa 3 800 ireo zana-trondro karpa sy tilapia narotsaka ao amin’ny farihin’ny kaominina Ambalakely, Lalangina. Nisy ihany koa ny fanomezana tantsoroka sy toromarika ara-teknika ho an’ny mpiompy trondro mba hanatsarana ny fihariany ho antoky ny fampandrosoana ny toekarena sy ny sosialy. Kitro ifaharan’ny fampandrosoana ny toekarena ny sehatry ny jono sy ny fiompiana anaty rano, ity farany izay mbola malalaka sy azo trandrahina tsara eto Madagasikara.
Mahavelombolo ny tanora ilay tetikasa Asa 5 000 nataon’ny fanjakana. Maniry ny hanitarana izany manerana ny Nosy ny tanora mba hananany asa ara-dalàna sy fidiram-bola azo antoka hiantohana ny hoavy mamiratra ho an’ny taranaka sy hanatsarana indray ny fiainan-tokantranon’ny mpiara-belona.




