Kolonely Randrianirina Michaël : “Tsy misy ifandraisany amin’ny 666 ny tetikasa biometrika”

Natomboka omaly ny tetikasa famantarana biometrika ny olom-pirenena, feno 18 taona. Nisantatra izany tao amin’ ny kaominina Tanjombato, nialohavan’ny teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha. Tsy misy ifandraisany amin’ny isa 666 izany hoy ny filoham-panjakana.

“Fantatray fa misy ahi­ahy sy resabe miparitaka, indrindra momba ny laharana sy famantarana tokana. Ny sasany aza sahy milaza fa misy ifandraisany amin’ny mariky ny bibidia any amin’ny Baiboly, hono, izy ity. Ny 666 izany. Tsy misy ifandraisany amin’izany velively ny tetikasa”. Io ny nambaran’ ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, kolonely Randria­nirina Michaël, tamin’ny fa­nombohana ofisialy ny fanomezana laharana biometrika ny olom-pirenena teny amin’ny Lapam-panjakana Iavo­loha, omaly. Izy rahateo no nanombohana izany; avy eo, ireo mpanolotsaina avo, ny mpikamban’ny governemanta… Tsy miafina amin’ny va­hoaka malagasy, mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny fiainany manokana ny fiva­vahana kristianina. Olon’ny finoana ny tenany sady mia­ramila, ka ny fiarovana ny vahoaka sy ny fitarihana azy any amin’ny mazava no antony nandraisany adidy, fa tsy sanatria ny mifanohitra amin’ izany.
Tsy marika ara-pivavahana na famantarana miafina sy fitaovana hanandevozana olona, araka ny lazain’ny sasany, ny laharana famantarana manokana. Fa laharan’ ny olom-pirenena ara-panjakana sy laharan’ny karapanondro na kopia nahatera­hana na pasipaoro. Natao hiarovana ny olom-pirenena izy io fa tsy entina hanimba na hanaraha-maso azy, sanatria. Nohamafisiny fa ny fitondram-panjakana dia tomponan­draikitra amin’ny fiarovana ny amin’ny tsiambaratelon’ny olom-pirenena amin’ny alalan’ ny lalàna mirafitra mazava ary fanarahana hentitra amin’ny alalan’ny fampiasana haitao mifanaraka amin’ny vanimpotoana iainana ankehitriny. Tanjona ny mba tsy hisy very anjavona ny Malagasy rehetra, fa mba ho olom-pirenena vanona sy afa-misitraka ara-dalàna ireo zo fototra avokoa ary mba ho tomponandraikitra sy tompon’antoka amin’ny fi­rosoana amin’ny hoavy mamiratra izay mendrika ny fire­nena.

R. Nd.

Partager sur: