Rohy mampifandray ny mpandraharaha sy ireo mpiara-miombon’antoka ny rafitra mpanohana sy mpanome tantsoroka ny fandraharahana ho an’ny fampandrosoana ny toekarena eto Madagasikara.
Miantoka ny fampiroboroboana ny harinkarena ny fanohanana ny mpandraharaha, hanamafisana ny toekarena sy hampirisihina ny tanora hamorona sy hitondra tetikasa ho an’ny fampivoarana ny firenena sy ny velon-tenany. Antony hanaovana ny hetsika Village des Structures d’accompagnement en entrepreneuriat (Village des SAE) andiany faharoa, eny amin’ny Cité des Cultures Antaninarenina, ny zoma sy asabotsy izao, izany. Ambohi-pihaonan’ireo tambajotra SAE ny hetsika. Ho fampahafantarana ihany koa ny andraikitra sahaniny. Kendrena amin’ izany ny hanasongadinana ireo sokajina tantsoroka hanohanana tetikasa ho fanoitra stratejika amin’ny fampandrosoana ny toekarena. Tafiditra ao anatin’izany ny fampirisihana ny tanora handraharaha sy hampidirana ireo mpisehatra eo amin’ny ara-dalàna. Araka izany, « ho hita mandritra ny roa andro hanaovana ny hetsika ireo tolotra samihafa ho an’ny fandraharahana », hoy ny filohan’ny MaSAE, Randriamaromanana Tandrify. Tanjona ny hampahafantarana ny rehetra fa misy sy vonona hampiroborobo sy hifanakalo hevitra amin’ireo mpisehatra ara-toekarena ny SAE. Lohahevitra amin’ity andiany faharoa ity, araka izany, ny « Ny fanohanana ny fandraharahana, fomba hampandrosoana ny tanora sy ny sehatra tsy ara-dalàna mba ho fanarenana ny toekarena malagasy ».
Rafitra
Mbola misehatra amin’ny tsy ara-dalàna avokoa ny 80% ny Malagasy mpandraharaha. Mazàna, sakana amin’ny fampivelarana ny tetikasa ataony ny fahazoana famatsiam-bola, ny tontolon’ny hetra sns. Hitondra ny anjara birikiny sy hamaly ny hetahetan’ireo mpisehatra ny SAE. Hijoro ho tetezana hidiran’izy ireny ho ao amin’ny sehatry ny ara-dalàna. Tsiahivina fa sehatra hifanakalozan’ireo mpandraharaha sy mpiara-miombon’antoka samihafa ny SAE, hanaovana adisisika sy hifampizarana traikefa. Ankoatra izay, hisy ny hetsika sy lohahevitra hovoaboasana mandritra ny roa andro hanaovana ny hetsika.
Henintsoa




