Ahina ho vaky ny fefiloha eny Ampahitrosy izay mety hiantraika hahavaky ny tohodranon’Ampahitrosy, distrika Atsimondrano, vokatry ny orambe, nikija tamin’ny faran’ny herinandro teo. Manoloana izany, tsy mipetra-potsiny ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), fa mandray anjara araka izay tandrify azy. Miandraikitra izany ny Fitantanana ny Haiavolentan’ny tontolo ambanivohitra (Direction du Génie Rurale).
Mijanona eny an-toerana, manatanteraka ny fanohanana ara-teknika ny teknisian’ny minisitera. Miara-miasa amin’ny BNGRC, ny Apipa, ny fokonolona eny an-toerana ary ny mpiara-miombon’antoka rehetra manao ny asa maika ho fiarovana ny fefiloha tsy ho vaky. Asa fohy ezaka natao ny fametrahana gony misy fasika sy tsatokazo ny tahalan’ny fefiloha. Mandritra ny 8 andro ny hanatanterahana azy.
Nanahirana ny mponina ny nanala ny fasika sy atsanga izay tonga teo amin’ny tohodrano, satria be loatra, vokatry ny orambe. Hany ka nanentsina ny fitaovana famoahan-drano (vanne de chasse). Izay no nahatonga ny fahasimban’ny ilany havanana amin’ny tohodrano izao.
Njaka A.




