Vokatra biolojika: Malalaka ny seha-pamokarana

Hotanterahina ny 10 hatramin’ny 13 febroary, any Nu­remberg-Alemaina, ny varotra fampirantiana iraisam-pire­nena ho an’ny vokatra biolojika na ny « Biofach ». Hetsika ham­­pahafantarana sy hanomezan-danja ny vokatra malagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Rafitra ivondronan’ireo mpiantsehatra amin’ny famokarana biolojika. Tan­jona ny hanamorana sy hanatsarana ny fahatongavan’ny vokatra biolojika any amin’ny tsena, miainga amin’ny famokarana amin’ny alalan’ireo tan­tsaha, ny fanodinana ara-in­dostrialy, hatramin’ny fahatongavan’ny vokatra eny an-tsena. Ho an’i Madagasikara, « kely ny vokatra eto amintsika raha oharina eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena », hoy ny filohan’ny sendika malagasy ho an’ny vokatra biolojika (Sy­mabio), Randriarilala Tahina. Araka izany, mbola malalaka ny lalam-pihariana. Midadasika ny toeram-pamokarana eto Ma­dagasikara ary manana ireo singa ahafahana mamokatra izany isika. Kihon-dalana stratejika ho an’ny Malagasy mpamokatra ny Symabio. Manen­tana ny mpiara-monina hanjifa ny vokatra eto an-toerana ny antom-pisiany mba hanoha­nana ny mpamokatra, ma­nampy ihany koa amin’ny fidiram-bolan’ny tantsaha, raha ny fanazavana hatrany.
Miisa 18 ny orinasa handray anjara amin’ny salon Biofach amin’ity andiany fahatelo ity, raha toa ka orinasa 10 izany tamin’ny teo aloha. Ta­min’ny taon-dasa, nahatratra 350 tapitrisa dolara ny vokatra biolojika naondran’i Madagasi­kara. Tsara ny vokatra satria nitombo 10% mihoatra ny tamin’ny taona 2024. Manohy ny ezaka hampiroboroboana ny famokarana biolojika ny minisiteran’ny Fambe­lona sy ny fiompiana, hahafahan’i Mada­gasikara mampitombo ny vokatra, hanandratana ny toekarena.

Henintsoa

Partager sur: