Nanomboka ny volana novambra hatramin’ny talata lasa teo, vokatry ny rotsakorana be loatra, nahatratra 19 ny olona maty, 20 naratra, 6 385 ny traboina (tokantrano 1 653). Olona 3 090 nafindra toerana, 1 319 ny trano dibo-drano, 37 simba, 153 rava, araka ny tatitry ny BNGRC, omaly. 10 ny faritra voakasika, ahitana distrika 16 sy kaominina 21.
Vonona ny orinasa SMMC hiara-miasa amin’ny Oniversiten’i Toamasina amin’ny fanatanterahana ny tetikasa fananganana “Auditorium” lehibe ao anatin’ny Campus Barikadimy. Ho fanamarihana izany, noraisin’ny filohan’ny Oniversiten’i Toamasina, Pr. Razanakolona Diny, tao Barikadimy, ireo mpikambana ao
amin’ny mpanolotsaim-pitantanan’ity orinasa ity. Nodinihina ireo pitsompitsony mahakasika ny fanombohana ny fiaraha-miasa. Anisan’izany ny lafiny ara-taratasy, ny tetibola ilaina ary ny anjara andraikitry ny SMMC amin’ny fananganana ny fotodrafitrasa.
Araka ny tapaky ny filankevitra siantifika ao
amin’ny Oniversiten’Antananarivo, hanomboka ny 2 marsa ary hifarana ny 30 novambra 2026 ny taom-pianarana 2025-2026. «Malalaka amin’ny lamina anatiny apetrany kosa ny fakiolte sy ny sekoly ambony ary afaka miroso amin’ny fanombohana ny taom-pianarana mialoha ny daty ofisialy», hoy ny fanambaran’ny fiadidiana ny Oniversiten’Antananarivo.




