Nahabe resaka sy adihevitra talohaloha teo… Amin’izao, nankatoavin’ny HCC ny lalàna momba ny famokarana sy famarotana toaka gasy. 44 % ny tahan’ny alikaola farafahabetsany…
Mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana ny lalàna lah. 2025-020 momba ny famokarana sy ny famarotana toaka gasy ato anatin’ny tanin’ny Repoblika Malagasy. Io ny fanapahana lah.01-HCC/D3, And. 2, navoakan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), omaly, momba ny famokarana sy famarotana toaka. Ampandrenesina amin’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara izany, ny filohan’ny Antenimierampirenena sy ny Praiminisitra ary ny filohan’ny Antenimierandoholona mpisolo toerana ny fanapahan-kevitra. Havoaka ao amin’ny Gazetim-panjakan’ny Repoblika ihany koa. Notsiahivin’ny HCC fa io lalàna momba ny famokarana sy ny fivarotana toaka gasy eto amin’ny tanin’ny Malagasy io dia nolanian’ny Antenimierampirenena sy ny Antenimierandoholona tamin’ny fivorian’izy ireo ny 18 jona 2025 sy ny 2 desambra 2025.
Kendrena hanara-dalàna ny toaka gasy amin’ny alalan’ny fametrahana rafitra ara-dalàna amin’ny famokarana sy ny fivarotana ary ny fitsinjarana io zava-pisotro misy alikaola vokarina amin’ny fomba nentim-paharazana malagasy io. Amin’ny alalan’ny famorivoriana sy/na fanasitiliana ny akora na tantely avy amin’ny zavamaniry izany. Araka ny And. 37 amin’ny lalàmpanorenana, miantoka ny fahalalahan’ny orinasa ao anatin’ny fetran’ny fanajana ny tombontsoam-bahoaka, ny filaminam-bahoaka sy ny fitondrantena ary ny tontolo iainana ny Fanjakana. Rehefa manome fomba fanomezan-dalana mialoha ho an’ny famokarana ny zava-pisotro, manara-maso ny akora ampiasaina, nanapa-kevitra ny hanara-penitra ny fomba famokarana ary mametraka fenitra ara-pahasalamana hafa fehezin’ny manampahefana ara-pahasalamana eo ambanin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Ao anatin’izany ny famerana ny votoatin’ny alikaola ho 44% farafahabetsany.
R. Nd.




