Firosoana ho amin’ny fanavaozana : Mametraka paikady ny komitin’ny fikaonandoha

Am-perinasa tanteraka ny komity mpamolavola « Comite de pilotage » ny fikaonandoham-pirenena. Efa mametraka ny rindrandamina rehetra ho fanatanterahana izany izy ireo.
Anisan’ny ao anatin’izany komity izany ny eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika sy ny minisiteram-panjakana misahana ny Fanavaozana sy ny Pri­matiora. Ao anatiny koa ny avy amin’ny minisiteran’ny Toeka­rena sy ny vola ary ny eo ani­von’ny minisiteran’ny Atitany. Manampy azy ireo ny ekipan’ny FFKM. « Mivory tsy an-kiato ary efa ao anatin’ny famolavolana ny paikady rehetra hitondrana ny fikaonandoham-pirenena izy ireo amin’izao fotoana izao », hoy ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny fiangonana efa-tonta.
Efa natsidiky ny minisiteram-panjakana misahana ny Fanavaozana fa tsy fifanarahana ara-politika tahaka ny nisy hatramin’izay no hatao fa omena lanja avokoa ny sehatra rehetra momba ny dingana ho an’ny fikaonandoham-pirenena.
Hiantoka ny fampandraisana anjara ny ankolafy rehetra: vehivavy, tanora, fiarahamonim-pirenena, fikambanana ara-pinoana, ray aman-dreny ara-drazana ny minisiteram-panjakana tantaniny amin’ny alalan’ny volam-panjakana.

Handraisana ny hetahetam-bahoaka
Efa natsidiny fa hametrahana ireo rafitra sy hamaritana ireo filana rehetra ary indrindra hanatanterahana ireo fiofanana isan-tsokajiny ny telovolana voalohany. Hanaovana fikaonandoha andrana amin’ny faritra telo ny telovolana faharoa. Ny enim-bolana faharoa indray kosa no hotanterahina ny fikaonandoha miainga eny amin’ny fokontany, kaominina sy distrika. Samy hatao ao anatin’ny roa volana avy avy izany raha ny iray volana kosa no natao ho an’ny faritra. Hamaranana izany ny fikaonandoham-pirenena, amin’ny iray volana farany. « Han­draisana ny hetahetan’ny va­hoaka izany ka ny olana avadika ho vahaolana », hoy izy. Nohitsiny anefa fa tsy natao hizarazarana seza io raha toa ka mihevitra izany ireo antoko politika maherin’ny 100. « Tsy mba nandray anjara tamin’ny fiainana politika. Tsy nanabe ara-politika ny vahoaka akory fa manao fanambarana fotsiny rehefa fifidianana», hoy izy.

Synèse R.

Partager sur: