FANTINA sy FINTINA

Nesorina amin’ny toerana avokoa ireo talem-paritry ny fonja miisa 22, araka ny fanapahana noraisin’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly, teny Iavoloha. Nirarakompana koa anefa ny fanendrena talem-paritra eo anivon’ny minisitera-panjakana misahana ny fanavaozana. Miisa 13 ireo vao notendrena.

Nodimandry omaly, rehefa tsy salama naharitra, ny mpanao gazety, Annick Raherimanana. Anisan’ny mpamakafaka ny toe-draharaham-pirenena teo anivon’ny Radio Antsiva nandritra ny taona maro ny tenany ary talen’io onjam-peo io izy nialoha izao fahalasanany izao.

Tsy manohana olona ny antoko Tia Tanindrazana fa manohana hevitra, araka ny nambaran’ny filohany, Razafinjoelina Tahina. Nohitsiny fa miova ny toetrany rehefa tompoina ny olona. « Mazoto miasa izy raha ny zavatra ataony no tohanana », hoy izy. Nanteriny fa efa hita ny finiavan’ny mpitondra ary miezaka manome ohatra avy any ambony.

Voatendry ho masoivohon’i Madagasikara any Chine, Randrianomenjanahary Richard Lalaina. Anisan’ny nivoitra tamin’ny tatitry ny filankevitry ny minisitra, ny talata 27 janoary teo, izany. Misolo ny toeran’ny masoivoho teo aloha, Robinson Jean Louis, nisahana izany andrikitra izany ny tenany manomboka izao.

Partager sur: