Fanaingana ny toekarena : Seha-pihariana valo mitodika amin’ny tsena

Tanjona amin’ny fanaingana ny toekarena ny famokarana mitodika amin’ny tsena. Tena misongadina aty afovoan-tany ny fambolem-bary, ny vokatra fanondrana, ny voamaina, ny fiompiana akoho amam-borona ary ny ronono.

Natao tany Antsirabe, ny 22 sy ny 23 janoary teo, ny Dinika fikaonandoha ho fanaingana ny toekarena isam-paritany ho an’Antana­na­ri­vo. Voakasik’izany ny faritra Analamanga, Vakinanka­ratra, Bongolava ary Itasy. Ma­nodidina ny 100 ny mpandray anjara. Nahitana solontena avy amin’ny tantsaha, mpi­ompy, sehatra tsy miankina, orinasa madinika sy salan­tsalany, ny tetikasa sy fandaharanasa, ny sampandraharaha isan-tsokajiny ary ny mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika miasa isam-paritra izany.
Fantatra fa miisa 8 ny seha-pihariana tena manan-danja sady laharam-pahamehana iraisan’ireo faritra 4 ireo. Azo trandrahina tsara, ahafahana mitodika amin’ny filan’ny tsena, mampivelatra ny fandraharahana ara-pamokarana (Agri-business). Eo ny vary, ny dipoavatra mena, ny kafe, ny katsaka, ny voly mamody, ny voankazo, ny akoho amam-borona ary ny ronono.

Hita ny vahaolana
Nandritra ny fifampidinihana, hita ny vahaolana hamahana ny sakana lehibe tsy na­hafahana niroso amin’ny fandraharahana amin’ireo seha-pihariana ireo. Koa, ilaina ny fanamorana ny lafiny fananan-tany, ny fametrahana banky na sampandraharaha ara-bola madinika ho an’ny tantsaha mpamokatra, ny fametrahana rafitra mazava sy fotodrafitrasa hivarotan’ny tantsaha ny vokatra. Mila tohanana ny mpamokatra hanatsarana ny famokarana amin’ny alalan’ny fanapariahana ny masomboly ara-kalitao sy ny zezika mora vidy, sns.
Aorian’ny dinika isam-paritra, hatao afaka andro vitsy ny dinika voalohany eo amin’ny fanjakana sy ny tsy miankina. Hotanterahina tsy ho ela ihany koa ny dinika nasionaly ho fa­naingana ny toekarena, handravonana ireo dinika isam-paritra rehetra.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: