Hotanterahina ny 7 hatramin’ny 10 mey 2026, eny amin’ny CCI Ivato, ny andiany faha-27 amin’ny Foire internationale de Madagascar (FIM), andiany faharoa tantanin’ny MadaVision. Lohahevitra noraisina ny hoe « Madagascar en mouvement : les secteurs qui bougent, les idées qui avancent ».
Nambaran’ny mpiara-mitantana ny MadaVision, Ranaivo Oranne, fa « tanjona ny hanohanana ireo orinasa rehetra anatin’izao vanim-potoana fiovana izao, hanamafy fiaraha-miasa vaovao hampandroso ny toekarena. Hasongadina kokoa ny orinasa lehibe milanja ny toekaren’i Madagasikara. Hanehoana ny fiverenan’ny herin’ny orinasa, hanaporofo fa mbola mihetsika hatrany izy ireo ».
Hita soritra amin’ny fanomanana ny fahombiazana. Nilaza ny tomponandraikitra ara-barotry ny MadaVision, Andrianasolo Hery, fa «efa mihoatra ny 30% ny tranoheva voafandrika. Ho tohanana manokana ireo mpandray anjara. Hanampy azy ireo mandritra ny taona izahay amin’ny serasera sy ny paikady hikarohana mpanjifa ».
Hisy hetsika fanampiny ho an’ny mpitarika orinasa, toy ny atrikasa, kaonferansa ary fihaonana B2B. “Hatsaraina ny rafitra mba hahazoan’ny rehetra tombony”, raha ny fanazavana hatrany. Anisan’ny andrasan’ny maro koa ny andro natokana ho an’ny fitadiavana asa. Afaka mametraka CV amin’ny orinasa maro ny mpitsidika. Mihoatra ny 30 000 isa ny olona andrasana ary miisa 350 mahery ny mpampiranty.
Henintsoa




