Fiaraha-miasan’ny tsy miankina sy ny fampianarana ambony. Miara-miombon’antoka ny orinasa Airtel Madagasikara sy ny sekoly ambony ESCM Business School. Misy efitrano natokana hianaran’ny mpianatra miisa 50 ao amin’ity toeram-pampianarana ity. Afaka mampiasa tambajotra internet maimaimpoana ao ny mpianatra, hifehezana ny sehatry ny niomerika bebe kokoa. Horaisina hianatra asa ao amin’ny Airtel ny mpianatra, hidirana tsikelikely ao anatin’ny tontolon’ny asa sady hampiharana ny fianarana. Hisy ny atrikasa sy famelabelaran-kevitra samihafa ataon’ny manam-pahaizana sy ny teknisianina avy amin’ny Airtel. Hovatsiana fitaovana sy antontan-kevitra ny mpianatra.
Nilaza ny tale jeneralin’ny Airtel Madagasikara, Anne Cathérine Tchokonté, fa « eo anilan’ny tanora mandrakariva ny orinasa tantaniny. Manan-danja ny fiovana mankany amin’ny niomerika. Mino izahay fa manana ny anjara tandrify azy ny tanora tsirairay, hanamafy ny fahaiza-manaony, ho fampandrosoana an’i Madagasikara ».
Ho an’ny tale jeneralin’ny ESCM Business School, Ranjatoelina Jonathan, kosa « adidinay ny manome fampiofanana mifanaraka amin’ny toetrandro, mamaly ny filan’ny tsenan’ny asa. Omena lanja ny traikefan’ny asa, ny fikarohana zava-baovao ary ny fampianarana avo lenta ».
Njaka A.




