Vokatry ny ora-nikija: Zaza telo maty nirodanan’ny trano

Tra-doza vokatry ny rotsakorana diso tafahoatra ny fianakaviana iray tao Ambohimarina, Andramasina. Telo mianadahy maty nianjeran’ny trano, telo hafa avotra soa aman-tsara, ny 27 janoary lasa teo.

Ankizy telo mianadahy (14 sy 9 ary 4 taona) niara-maty nirodanan’ ny trano biriky misy rihana iray tany Tsibeomby, fokontany Ambohimarina, distrikan’­An­dra­masina, ny harivan’ny 27 janoary 2026, tokony ho ta­min’ny 05 ora sy 30 minitra. Voatsindry sy tototry ny rin­drina tao izy ireo ka antony nitarika tamin’ny fahafatesany. Avotra soa aman-tsara kosa ny olona telo hafa ary tsy misy atahorana ny ainy. Zanaky ny tompon-trano ny roa tamin’ ireo ankizy namoy ny ainy, raha zana-kavany kosa ilay 14 taona. Nifarimbona nisikotra ireo olona taraiky tao ny fokonolona vao nisy ny tranga. Efa tsy nisy aina intsony ireo an­kizy miisa telo, tamin’ny fo­toana nahazoana azy ireo tao ambanin’ny tany. Nahitana ratra maro teny amin’ny vatan’ izy ireo. Avotra soa aman-tsara kosa ny olona telo niharam-boina hafa tao an-trano. Enina mianaka izy ireo no tao an-trano tamin’io fotoana ni­trangan’ny loza io, raha ny an­gom-baovao voarain’ny zan­dary mpanao famotorana. Tao an-dakozia izy rehetra ary efa niomana hisakafo hariva. Tampoka, nirodana ny trano nitoeran’izy ireo ka tototra tao avokoa izy rehetra.

Efa nahitana nitriatra ny rindrina
Nirotsaka matetika ny orana tany an-toerana ka na­hatonga ny firodanana, raha ny fanazavana voaray. Na­nampy izany koa ny fisian’ny horohorontany ny atoandron’ ny 24 janoary lasa teo. Nahi­tana triatra ny rindrina tamin’iny fotoana nisian’ny horohorontany iny ary izao nihafara tamin’ny firodanan’ny trano tanteraka izao.
Nampandre ny zandary miasa ao amin’ny tobim-paritra Andramasina ny lefitry ny sefo fokontany Ambohima­rina. Nidina teny an-toerana avy hatrany ny zandary miisa telo vantany vao naharay antso. Anisan’ny ahitana tamboho, trano, tany mirodana hatrany amin’izao fotoanan’ny orana izao. Entanina ny va­hoaka sy ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny mba hanara-maso ny trano fonenana, indrindra amin’izao vanim-potoanan’ny orana izao. Eo koa ny mba hialana haingana amin’ny trano raha toa ka misy ny zavatra mampiahiahy.

Mino

Partager sur: