TSELATRA

Lehilahy 50 taona hita faty tetsy amin’ny arabe akaikin’ny mpivarotra voninkazo, ampitan’ny hopitaly HJRA, omaly maraina. «Efa narary andro vitsivitsy lasa izy io, ary nanomboka nanary aina ny alina ary izao maty izao », hoy ny vadiny. Mpatory an-dalana izy ireo.
Jiolahy miisa roa voasambotry ny polisy tany Anketa Toliara, ny marain’ny 28 janoary 2026, tokony ho tamin’ny 02 ora sy 45 minitra. Nisy namaky ny trano iray lasan’ireo olon-dratsy, ny bateria efatra, vata fapangatsiahana roa ary « couveuses » roa. Nampandre ny polisin’ny Unité d’intervention rapide (UIR) ny tompon-trano. Vokany, voasambotra tsy lavitra ny toerana ireo olon-dratsy.

Partager sur: