Filoham-panjakana Randrianirina Michaël : « Tsy voninahitra lanjaina fotsiny ny galona jeneraly »

Niatrika ny fanolorana faneva ho an’ireo manamboninahitra jeneraly, teny Ivato, ny filoham-panjakana, Kly Randrianirina Michaël. Nisy ny hafatrafatra sy toromarika nomeny ny Foloalindahy, tamin’izany.

Niantso ireo manamboninahitra jeneraly ny Filo­ham-panjakana tamin’ ny lahateniny mba hitodika bebe kokoa amin’ny vahoaka sy hitondra tamberin’andrai­kitra ho an’ny firenena.
Nohitsiny fa mitaky fitondran-tena tsy ahitana kihana ny fametrahana ny kintana eny an-tsoroka. « Tsy voninahitra lanjaina fotsiny izany fa manana anjara biriky amin’ny fanavaozana ho an’ny fire­nena ny Foloalindahy ka natao hitarika amin’ny fiarovana ny vahoaka ny jeneraly mba ho antoka amin’ny fampandrosoana », hoy izy.
Momba ny mety ho fanovana ny governemanta kosa, natsidiny fa mbola ao anatin’ ny tombana momba izany izy ireo amin’izao fotoana izao. « Mbola miasa mafy alo­ha isika izao », hoy izy raha na­nontanian’ny mpanao gazety. Nanteriny koa fa nitsangana ho an’ny vahoaka ny tenany ka tsy maika ny amin’ny hahazoana ny galona jeneraly. Notsindriny fa efa nomen’ny vahoaka ny voninahitra faratampony ny tenany ka ampy azy izany. « Aleo ho an’ny miaramila iny laharam-boninahitra iny. Aleo hijanona ho kolonely ihany aho », hoy izy.

« Alakamisy mena… »

Notsiahiviny koa fa ani­san’ny laharam-pahamehana ny famaliana ireo hetahetam-bahoaka teny an-kianja, araka ny efa voafaritra ao anatin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana.
Momba ny fikasan’ny sa­sany hanao hetsika « Alaka­misy mena » amin’ny volana febroary kosa, nambarany fa voakarama ireny. « Aleo ha­nan­drana raha mahatarika olona », hoy izy.
Voninahitra faratampony no efa nomen’ny vahoaka ahy ka izay maha kolonely Mi­chaël ahy izay no hahafantaran’izy ireo ahy. Novaliany koa ny feo miely fa voabaikon’ireo olona manodidina azy izy. Namba­rany fa tsy misy olona mibaiko azy amin’ny fitantanana sy ny fanapahan-kevitra raisiny eto amin’ny firenena.

Synèse R.

Partager sur: