Tamin’ny taona 2015, fantatra fa i Madagasikara no firenena faha-13 anjakan’ny vohoka aloha loatra. Raha ny salanisa dia tovovavy 1 ao anatin’ny 3 amin’ny salan-taona voafaritra amin’izany no efa manan-janaka.
“Tsy mbola tena misy ny fanabeazana ara-pananahana feno na ao an-trano na any an-dakilasy, any anaty fikambanana, amin’ny fiarahamonina”, hoy ny mpandrindra ny tetikasa YAFP Madagascar, Ramparaoelina Tendry.
Tokony horesahina ny tsy hidirana aloha loatra ao anaty firaisana ara-nofo ho an’ireo tsy mbola nanao izany. Ireo tanora efa miditra amin’ny firaisana ara-nofo kosa tokony hobeazina hijanona amin’ny olon-tokana. Ampirisihina amin’ny fiarovan-tena amin’ireo karazana aretina sy ny mety hahatonga ny vohoka aloha loatra ihany koa. Ankoatra ireo, resahina anaty fanentanana ihany koa ny fanaovana fitiliana ny aretina hahafahana miaro tena sy miaro ny hafa. Rehefa voaresaka avokoa ireo vao lavorary ny sehatry ny fanabeazana ara-pananahana feno.
Tsy manana antoka ny tanora ny amin’ny fiarovana ny tsiambaratelony rehefa tonga hanao fandrindram-piterahana any amin’ny tobim-pahasalamana. Izany indrindra no sakana ho azy ireo amin’ny fanatonana toeram-pitsaboana mampiasa ny fomba hanakanana ny vohoka tsy iriana. Lasa sakana amin’ ny fisitrahana ny tolotra ara-pananahana ny fitsaratsaran’ny olona.
Tatiana A




