Omaly tolakandro, tany amin’ny manodidina ny 238 km avaratra andrefan’i Besalampy no nisy ny foiben’ilay rivodoza Fytia. Niakatra ho 120 km isan’ora ny rivotra miaraka aminy, arahina tafiotra 170 km isan’ora manakaiky ny foibeny.
Nikisaka nianavaratra somary avaratra atsinanana ilay rivodoza Fytia, mahafaka 7 km isan’ora. Efa mipaka amin’ny faritra avaratra andrefana ny rahona miaraka aminy. Vinavinaina hiditra an-tanety eo anelanelan’i Tambohorano sy Soalala, i Fytia, anio maraina be. Mety hahatratra 155 km isan’ora ny rivotra hiaraka aminy, arahina tafiotra manodidina ny 215 km isan’ora amin’ny fotoana hidirany an-tanety. Nahazo filazana loza mitatao ny faritra Boeny sy Melaky. Loza manambana kosa ho an’i Betsiboka, Bongolava, distrikan’ Ankazobe sy Anjozorobe ary filazana fanairana kosa ho an’ Itasy, Alaotra Mangoro, distrikan’Ambatolampy, Ambohidratrimo, Andramasina, Manjakandriana, Antananarivo. Tombanana hivoaka any an-dranomasina any amin’ny faritra Atsinanana izy, rahampitso maraina.
Nanambara ny Cisco Mahajanga I fa miato avokoa ny fampianarana ho an’ny sekoly rehetra ao anatin’ny fari-piadidiany noho ny toetr’andro. Ahafahana mijery maso ny zava-misy manoloana ny rivodoza Fytia, nanatanteraka fidinana ifotony teny amin’ireo fokontany ahitana fiakaran’ny rano toy ny ao Mahavoky Avaratra, Fiofio, Ambalavola ireo mpikambana ao amin’ny CO izay notarihin’i Préfet sy tomponandraikitra maro. Nanao ny fanentanana mahakasika ireo fepetra raisina manolona ny filazana miloko mavo mihatra any amin’ny faritra izy ireo. Efa ahitana tokantrano maromaro dobo rano ka nanantona trano fialofana.
Oram-baratra
Noho ny fisian’ilay rivodoza Fytia ao amin’ny Lakandranon’i Mozambika, tombanana hahazo vahana hatrany ny oram-baratra any amin’ny faritra avaratra andrefan’ny Nosy. Hiitatra miandalana any amin’ny afovoan-tany sy ny atin-tany afovoany atsinanan’ny Nosy izany, amin’ny faran’ny herinandro. Mety hahatratra 50 hatramin’ny 150 mm ny tahan’ny rotsakorana ao anatin’ny 24 ora. Araka ny vinavina, mbola mety hisy fiakarany ny haavon’ny rano amin’ireo renirano sasantsasany noho ny fiantraikan’ny rotsakorana ao anaty sahandriaka ho an’ny faritra Boeny, Bestiboka ary Melaky.
Vonjy




