Mbola faritra mena ny kaominina enina, ao amin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano. Mampanahy ny mety ho fahavakisan’ny fefilohan’i Sisaony. Efa tafakatra 2m 24 rahateo ny haavon’ny renirano, eo Ampitatafika.
Manambana ho vaky ny fefilohan’i Sisaony, morony havanana, any Ampahitrosy. Mbola mitoetra, araka izany, ny filazana loza mitatao (mena) amin’ny tondradrano amin’ny kaominina enina: Ampahitrosy, Soalandy, Ankadivoribe, Ampanefy, Soavina ary Anosizato Andrefana. Nivoitra izany taorian’ny fitiliana ny fandehan’ny renirano eto amin’ny lemak’Antananarivo, navoakan’ny Apipa, omaly maraina. Tafakatra 2m 24 ny haavon’i Sisaony, eo Ampitatafika. Niakatra 0,43m ny haavon’ny rano tao anatin’ ny 24 ora. Mbola hiakatra izany ao anatin’ny 12 ora manaraka. 3 m ny refy fampitandremana loza manambana eo Ampitatafika.
Fito ny olona maty
Momba ny takaitra navelan’ny rivodoza Fytia, nanambara ny BNGRC fa 27 ny distrika amin’ny faritra enina voakasika: Boeny, Analamanga, Melaky, Sofia, Vakinankaratra ary Betsiboka. Miandry ny tatitra avy amin’ny faritra roa : Atsinanana sy Alaotra Mangoro, ny tomponandraikitra. Hatramin’ny omaly, ho an’ny faritra enina, fito ny olona maty (iray eto Antananarivo, iray any Ambatoboeny, roa any Soalala ary telo any Anjozorobe), iray ny olona tsy hita popoka lasan’ny rano, tao amin’ny reniranon’i Mahamavo, ao amin’ny kaominina Ambalakida, distrikan’i Mahajanga II. Dimy ny olona naratra.
54 518 ny traboina
54 518 ny isan’ny olona traboina (tokatrano 12 412), nahatratra 20 064 ny olona nafindra toerana (tokantrano 5 095), trano 9 490 dibo-drano, 1 291 simba ary 1 465 rava. 98 efintranon-tsekoly tsy misy tafo intsony, 49 simba amin’ny ampahany ary 44 hafa rava tanteraka.
Momba ny toetry ny andro mandritra ity herinandro ity, hahazo vahana ny talio any amin’ny tapany avaratry ny Nosy. Hahazo vahana kosa ny tsioka atsimo na atsimo-atsinanana na any amin’ny faritra hafa manomboka ny fisasahan’ny herinandro. Hanorana ny andro amin’ny ankapobeny any amin’ny tapany avaratra sy ny ilany afovoany andrefan’ ny Nosy. Manodidina ny 14 – 28 °C ny maripana ny maraina ary eo anelanelan’ny 25 – 36 °C ny tolakandro.
Vonjy




