Vavatenina : tokantrano 11 kilan’ny afo

Naratra vokatry ny famonoan’afo tamina trano 11 nirehitra ny raim-pianakaviana iray tao amin’ny fokontany Aviavazaha, kaominina ambanivohitr’i Maromitety, distrikan’i Vavatenina ny 2 febroary teo. Nandrehitra kitay tamin’ ny solika ny olona iray ta­min’ireo tao amin ‘io tanàna io. Nataony be loatra anefa izany solika izany ka niredareda avy hatrany ny afo vao nirehitra ny afokasoka. Falafa rahateo ny trano ka niparitaka haingana ny afo. Nandady tamin’ireo trano folo hafa mitafo amin’ny ravin-kazo. Nitabataba ny fokonolona. Nifandrimbina nitatitra rano teny amin’ny reniranon’i Sa­ha­vaviana izy ireo nentina namonoana ny afo. Ora vitsy taorian’ny loza, voafehy ny firehetana. Mitotaly 11 ireo trano hotohoto tanteraka. Olona iray kosa naratra vokatry ny famonoana ny afo.

Sajo/Tsiferana R.

Partager sur: