Hita faty, omaly vao maraina teny Ampasika ny tovovavy iray. Tsy navela hanambady ny havany izy ka izao nisafidy hamono tena izao…
Tovovavy iray 22 taona no hita faty teny Ampasika, omaly maraina. Raha ny fantatra, tsy navelan’ny fianakaviany hanambady ny havany (cousin) izy ka antony nahatonga azy nisafidy hamono tena nitsoraka teny amin’ny reniranon’ Ikopa. Araka ny fanazavan’ny fianakaviany, nisy ny fifandirana manoloana ny fifankatiavany tamin’ilay tovolahy havany akaiky ity. Tsy nanaiky izany anefa ireo fianakaviany ka niafara tamin’izao famonoan-tena izao. Nitsoraka teny Ampasika izy tamin’ny misasakalina, afakomaly. Nitondra fanazavana manokana momba ny trangan-javatra toy izao ny manam-pahaizana amin’ny fitsaboana aretin-tsaina ao amin’ny hopitaly Anjanamasina, ny Dr Nambinintsoa Andrianarison fa olana goavana mateti-pitranga eny amin’ny fiaraha-monina ny zava-nanjo ity tovovavy ity. Raha jerena amin’ny lafiny fitsaboana aretin-tsaina dia mety ho nisy fiantraikany teo amin’ny sainy izy tsy navela hiaraka na hanambady ilay olon-tiany (havany akaiky). Niteraka rarin-tsaina izany fandrarana azy izany ka ahina ho misy ifandraisany amin’izany izao famonoan-tena izao. Mety hoe tsy nikasa hamono tena izy fa entiny hanairana ny fianakaviany manoloana ny rarin-tsaina mahazo azy izany kanjo tena maty tokoa izy. Efa nalain’ny fianakaviany ny razana satria mipetraka eny amin’ny manodidina an’Ampasika eny ihany ity tovovavy namono tena ity. Vao haingana koa no nisy raim-pianakaviana namono tena tany Vohémar satria tsy nisy namonjy ara-bola mihitsy na efa nitaraina tamin’ireo havany akaiky aza.
J.C