Halatra maso : voasambotra ny sakaizan’izy roa vavy tao Bekily

Mbola mitana ny sain’ny maro ny raharaha vono olona mahatsiravina tao Bekily ny alahady teo. Ankehitriny, voasambotra sy atao famotorana eny amin’ny biraon’ny zandarimaria ireo roa lahy sakai­zan’izy roa vavy. “Voasam­bo­tra ny asabotsy teo tany Be­ta­nia, fokontany sy kaominina Bekily izy roa lahy ireto.”, hoy ireo mpanao fa­motorana. Nam­ba­rany fa mbola niaraka tamin’ireto maty izy roa lahy iretsy ny asabotsy tolakandro, antony anenjehana azy ireo. Hatra­min’izao, tsy mbola niaiky iza­ny ireo lehilahy. Araka izany, tsy hijanona eo ny raharaha fa mbola hitohy. Tsi­a­hi­vina fa hita faty natsingevan’ ny ranon’i Menarandra ny alahady tokony ho tamin’ny 11 ora izy roa vavy. Novonoina ary samy na­lana avokoa ny ma­sony. To­vo­vavy 17 sy 20 taona ireto maty. Fantatra fa avy any Ampanihy andrefana sy An­ka­ranabo, Bekily izy ire­o. Na­monjy tsena tao Bekily ny an­ton-dia saingy niafara tamin’izao habibiana nahatsiravina izao ny zava-nisy. Navelan’ireo nahavanon-doza kosa ny lelany.

Henintsoa Hani

Partager sur: