Noraisim-potsiny tamin’ny alalan’ny vela-pandriky ny zandary ireo telo lahy mpanaparitaka rongony tao Amboanjobe, kaominina ambanivohitra Bongatsara , distrika Antananarivo Atsimondrano, ny alatsinainy teo. Mivarotra ireo zava-mahadomelona ireo amin’ny tanora manodidina, efa nalaza ratsy teny an-toerana izy mivady. Natao ny fisavana ny tranon’izy mivady. Sarona tamin’izany ny fonosana rongony mitotaly 254. Niampy 23 kilao rarany. Nahitana mohara roa niampy fanafody gasy koa tao amin’izy ireo. Nosamborina avy hatrany izy mivady. Natao fanadihadiana eny anivon’ny zandary. Nogiazana ireo rongony sy fitaovana tratra tao aminy. Ankoatr’ireto mpivady ireto, tovolahy vao 16 taona koa tra-tehaka tao Behenjy. Mpivarotra rongony sady midoroka izy. Notsiahivin’ny zandary ao an-toerana fa anisan’ny mampirongatra ny asan-jiolahy ny fiparitahan’ny zava-mahadomelona.
Tsiferana R.