Ho fanatevenana ny ekipa nasionaly malagasy hiatrika ny lalaon’ny Nosy, miantso ireo mpilomano malagasy mila ravinahitra any ivelany ny Federasiona malagasy ny lomano.
Handrombaka medaly maro ny tanjona ho an’ny federasiona tsirairay mandritra ny lalaon’ny nosy hatao eto Madagasikara. Samy manana ny fomba hahatrarana ny tanjona ny mpitantana sy teknisiana. Ho an’ny taranja lomano manokana, ny fitadiavana mpila ravinahitra no vahaolana hitany. Araka izany, mitady mpilomano mila ravinahitra any ivelany ny FMN hanatevin-daharana ny ekipa nasionaly.
Tsy ny rehetra no afaka mamaly ny antso. Misy fepetra maromaro napetraka, toy ny fahazoana fe-potoana tsara mihoatra ny fe-potoana takiana. Manana taratasy ara-dalana, toy ny fananana pasipaoro malagasy. Tokony ho eto Madagasikara ny atleta amin’ ny fifantenana farany sy ny fampivondronana.
Nomarihan’ny Tale teknika nasionaly ny FMN, Razafindrafidy Naivo, efa nisy ny liana tamin’ny antso. Misy ny manontany fanampim-panazavana, toy ny fiantohana ny fandraisana anjara sy ny fanomezan-dalana avy amin’ny Komity Iraisam-pirenena ny lalaon’ny Nosy. Mahakasika ny lamina, mbola miankina betsaka amin’ny toro-lalana omen’ny minisitera ny fandaharam-potoana eto an-toerana, eo amin’ny lafiny fampivondronana sy fanomanan-tena. Mbola tsy fantatra rahateo ny dobo filomanosana hilalaovana sy ny datin’ny fampivondronana.
Tsy mbola voafaritra mazava koa ny fampivondronana farany na ho fiofanana mihidi-trano no hatao, araka ny fanazavan’ny Tale teknika nasionaly hatrany.
Mi.Raz