Basikety – JIOI 2023: manao lalao fitsapana eto amintsika ny Mahorais

Raikitra indray ny lalao basikety eto Madagasikara. No­tanterahina nanomboka om­aly teny amin’ny kianja, Palais de Sport, Mahamasina, ny lalao fitsapana ny ekipa malagasy sy ny fanomanan’ ny ekipan’i Mayotte ny lala­on’ny Nosy, JIOI 2023, izay hatao eto amintsika.
Araka iza­ny, nisy ny lalao izay ni­haonan’ny GNBC Ma­da­ga­si­kara sy ny ekipam- pirenen’i Mayotte. Lavon’ny ekipan’ ny zandary tamin’ny isa 61 no ho 54 ireto mpilalao avy any Mayotte ireto. Raha hiverenana ny lalao dia ny GNBC no nitarika tamin’ny isa 29 no ho 26 teo amin’ny fizaram-potoana voalohany (1 “Quart-temps” (QT): 13 – 16, 2 QT : 16 -10). Nanjakan’ny GNBC tanteraka ny fizaram-potoana faharoa, raha toa ka somary vizana ny mpilalao Mahorais, ka lasa 61 no ho 54 ny isa nisarahan’ny roatonta (3 QT : 13 -14, 4 QT : 19 – 14). Hita mbola lesoka ho an’ny GNBC ny tsy fahampian’ny fahamatorana amin’ny lalao, marobe ireo baolina very sy ny “lancé franc” tsy tafiditra.
Marihina fa lalao ara-pirahalahiana izy ity, ary haharitra dimy andro eo ny fihaonana, izany hoe ny 7- 9-13-14-15 febroary 2023. Ankoatra izay, hihaona amin’i Cospn Mada­ga­sikara indray ny ekipam-pirenen’i Mayotte, rahampitso 9 febroary. Lalao izay hotanterahina eny amin’ny Petit Pa­lais des Sports Maha­ma­si­na.

Fitia (Mpianatra asa)

Ny fandaharam-potoana manaraka

09/02/2023
Kianja Palais de Sport
4 ora : Cospn Mada vs Mayotte
13/02/2023
Kianja Palais de Sport
4 ora : Cospn Mada vs Mayotte
14/02/2023
Kianja Palais de Sport
4 ora : GNBC Mada vs Mayotte
15/02/2023
Kianja Palais de Sport
4 ora : GNBC + Cospn Mada vs Mayotte

Partager sur: