Muay thaï : nankalaza ny andro iraisam-pirenena tamin’ny fety

Tontosa tetsy amin’ny espace Fahasoavana ny faran’ ny herinandro teo, ny fankalalazana ny andro Iraisam-pirenena ny Muay thaï. Nizara telo ny hetsika nanamarihana izany, ho an’ny Federasiona Malagasy ny Muay Thaï. Taorin’ny lahateny nifandimbiasana, niditra tamin’ny Muay Thaï Boran sy ny Muay Thaï Consul, izay fampisehoana fampianarana anaty klioba fa tsy eny andalambe. Ankoatra ireo, nisy ny fighting, izay nahitana katrokady miisa 12.
Nambaran’ny filohan’ny federasiona, Rakotoalizao Hainatiana, fa nahazo toromarika avy amin’ny federasiona iraisam-pirenena izy ireo, ny amin’ny tsy maintsy hanaovana hetsika fankalazana iza­ny. Ankoatra ny lanonam-pifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao, fotoana nentina nanokafana ny taom-pilalaovana ihany koa izany.
Nambarany sahady, maro ny hetsika miandry ny federasiona amin’ity taom-pikatrohana ity, toy ny festival de Muay Thaï, tanterahana any Thaïlande amin’ny desambra 2023. Eo ihany koa ny fiadiana ny tompondaka eran-tany, ho an’ny sokajy junior, ny ho an’ny oniversite “FISU”, ary ny “combat titre”.
“Ezahana ny handehanana amin’ireo”, hoy ity filohan’ny federasiona ity, izay hangatahana sahady ireo mpanohana na orinasa. Tsiahivina, nitsangana ny 9 desambra 2013 ny federasiona malagasy miahy ny Muay Thai. Olana ho azy ireo anefa ny tsy fahampian’ny fanohanana avy amin’ny raiamandreny mpi­ahy.
Hanomboka amin’ny tapaky ny volana marsa ny fifaninanana nasionaly.

Mi.Raz

Partager sur: