Fandraharahana: mitaky fitsarana madio sy tsy mitanila ny Gem

Mahatsikaritra ny Vondron’ny mpandraharaha eto Madagasikara (Gem), fa maromaro ny raharaham-pitsarana mikasika ny orinasa tsy miankina, tsy voahaja ny lalàna. Miteraka endrika ratsy ho an’ny Madagasikara ho an’ny mpampiasa vola vahiny izany, sy eo anatrehan’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena mahazatra.

Manaitra ny sain’ny fi­tondram-panjakana ny Vondron’ny mpan­draharaha eto Madagasikara mikasika ny fitsarana, raha ny fanambarana navoakany ny 24 janoary 2023 teo. Tsi­ka­ritr’izy ireo, fa miboriaka any amin’ny tsy tokony ho izy ny rafi-pitsarana, raha raisina ny fanambarana nataon’ny mpisehatra amin’ny banky farany teo. Tsikaritry ny Gem, fa ma­ro ny fanapahan-kevitry ny fi­tsarana tsy mifanaraka amin’ ny fototry ny lalàna, ka miantraika mivantana any amin’ny lafiny toekarena sy ny sehatra voakasika.
Maromaro ny ohatra notanisain’ny Gem mikasika iza­ny. Ny fanamelohan’ny fitsarana ny mpitantana orinasa «société anonyme» mikasika trosa. Ny tsy fanajana ny lalàna tokony hanaovana ny fanelanelanana raha sendra misy ny fifanolanana, sy ny fitsabahan’ny fitsarana amin’ny raharaha tsy ananany fahefana. Ny tsy fanomezan’ny fitsarana ny olona manana anjara renivola hisitraka ny zony, izay mifanohitra amin’ny lalàna mifehy ny orinasa. Ny tsy fanatanterahana ny didim-pitsarana nefa tsy misy ny antony araka ny lalàna. Ny famoahana didy tsy mahazo mivoaka ny sisin-tany tsy mitombona ny mpandraharaha tera-tany malagasy, fa tsy andrasana ny valin’ny fanadihadiana savaranonando, sady tsy voahaja ny maha tsy meloka azy aloha.

Fitsarana tsy mitanila
Manoloana ireo, manamarika ny mpandraharaha ao amin’ny Gem, fa tena hisy fi­an­traikany any amin’ny endriky ny fitsarana ireo raha tsy miverina ny fifampitokisana aminy sy ny sehatra tsy miankina. Satria ao anatin’ny fotoana hisarihana ny mpampiasa vola vahiny sy ny eto an-toerana i Madagasikara izao. Ny mifanohitra amin’izany aza no mety hiseho, satria, miteraka ahiahy amin’ny kolikoly sy ny fampiasana ho fitaovana ny fitsarana, ka hanimba ny fifandraisantsika amin’ireo mpamatsy vola iraisam-pirenena mahazatra.
Vonona hanohana ny filoham-pirenena ny Gem sy ny von­dron’ny mpandraharaha mi­­fandraika aminy, mba ho oha­tra tsara ho an’ny hafa i Ma­dagasikara. Koa, miantso ny ra­fitra an-tanan-tohatra am­bony isan-tsokajiny izy ireo, hijery akaiky ity tranga ity, amin’ny hisian’ny fitsarana tsy mitanila, tsy hisian’ny fitsabahana tsy ara-dalàna a­ta­on’ny hafa. Sady koa, mitaky ny tena marina mifanaraka amin’ny lalàna mikasika ireo fanapahan-kevitra tsy mazava ireo, mba hiverenan’ny fifampitokisana.

Njaka Andriantefiarinesy.

Partager sur: