Mponina Tsinisiha Toliara : antso hiverenan’ny tetikasa vaventy

Misehatra amin’ny lafiny sosialy, ny asa, ny tontolo iainana, ny asa fanadiovana, sns ny fikambanana Fitaza. Ahitana ity fikambanana ity daholo ny fokontany miisa 41 any Toliara I.

Nilaza ny filohany, Naina fa «mila asa izahay. Angatahanay ny filoham-pirenena, ny praiminisitra, ny mpikambana ao anaty governemanta, hanokatra indray ny Base Toliara. Tsy an’asa ny tanora eto Toliara sy Atsimo Andrefana. Hahazo asa ny ampahany aminay raha hisokatra ity orinasa ity. Nahafaly anay koa ny fiofanana efa nomeny ny tanora sy ny vehivavy hatramin’izay».
Sahirana ny vehivavy mpikambana Fitaza, amin’ izao fotoana izao, satria tsy miasa ny vadiny. Miray feo izy ireo manaitra ny fanjakana. Isan’izany i Noro Françoise, niangavy ny hanokafana ity orinasa ity. Angatahany ny hiraisan’ireo olobe sy raiamandreny hina hanohana azy ireo. Nanamafy izany ny filohan’ny Fitaza, Naina, mangataka ny olom-boafidy sy ny raiamandreny ara-drazana rehetra, satria tena mijaly tsy manana asa ny mponina.

Mazava ny tenin-dRambelo Nasily, zokiolona ao amin’ny Fitaza, «tena sahirana ny zanakay sy ny zafinay ankehitriny. Fanirianay ny hahitan’izy ireny asa».
Mitarika posy bisikileta na lasa jiolahy
Ho an’i Kozatsy, raiamandreny any amin’ny kaominina Tsianisiha, sady tompon-tany sy tompona fasana, «tsy monina aty amin’ny faritra misy ny fitrandrahan’ny Base Toliara ireo olona manohitra ity tetikasa ity, fa olona voakarama. Samy miandrandra ny hisokafan’ity orinasa ity daholo ireo tena mponina».
Nomarihiny fa niisa 38 ny fasana nafindra niarahana tamin’ny Base Toliara, izay tena nanaja sy nanaraka ny fomban-drazana tany an-toerana. Mbola misy 55, ka tsy fantatra raha rahoviana no hafindra satria mihantona ny asan’ny orinasa. Toraka izany koa ny fanonerana ny tany.
Nilaza ihany koa ity raiamandreny any Tsianisiha ity, fa maro amin’ireo tanora any an-toerana no manana diplaoma bakalorea, «licence», saingy voatery lasa mitarika posy bisikileta satria tsy mahita asa. Ny sasany aza lasa jiolahy.

Nisy tamin’ireo tanora, miisa 24, nalefa niofana tany Kenya. Manodidina ny 500 kosa nampiofanina tany Toliara, mikasika ny fanaovam-biriky, ny rafi-trano, ny fiompiana, sns. Raha aravona, tsikaritra fa antokon’olona karamain’ny fikambanana firaisamonim-pirenena ireo mpanohitra ny tetikasa.

Njaka A.

Partager sur: