Ambalakisoa Toamasina : raim-pianakaviana hita faty, tsy fantatra mazava

Tsy nahitana endrika vo­noan’olona ity raim-pianakaviana hita faty ity nitsirara teo amoron-dalana tao amin’ny fokontany Ambalaki­soa Toamasina, ny alatsinainy teo. Raha ny fanazavana voaray, tombanana ho ma­nana aretim-borona izy satria nahitana ranovava maro nivoaka ny vavany sy ny orony. Mety nihetsika izany ka nianjera tamin’ny rano mihandrona, ny orana rahateo nivatravatra be ny alin’io, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny BMH eo anivon’ny kaominina ambonivohitr’i Toamasina, ny do­kotera Bezandary Désiré. Ankilany, nambaran’ireo olona sasany mahafantatra azy, nentin-katezerana izy noho ny olana ara-tokantrano ka lasa nivoaka ny trano. Tsy niverina intsony taorian’izay, kanjo izy hita faty tampoka izao. Manahy koa ireo olona akaiky fa mety noho ny hamamoana diso ta­fahoatra koa no mety na­hafaty noho izy nanana olo­na teo amin’ny tokantrano.

Sajo

Partager sur: