Ilakakabe: tokantrano roa nasesin’ny dahalo

Voasambotry ny fokono­lona sy ny mpitandro fila­minana ireo dahalo roa lahy nanao fanafihana tokantrano roa tao amin’ny tanànan’i Vohimena, kaominina ambanivohitra Ilakakabe, ny 5 fe­broary teo. Nasesin’ny dahalo norobaina ny tokantrano roa tao amin’io tanàna io ny alin’ ny 1 febroary teo. Nitondra fitaovam-piadiana ireo olon-dratsy ka tsy sahy namaly ny tompon-trano. Nidina ifotony nanao ny famotorana ny zandary niampy ny tafika tao an-toerana. Olona roa saron’ny fokonolona sy ny tafika io alina io. Nahatrarana fitaovam-piadiana vita gasy teny amin’izy mirahalahy ireto. Niaiky izy ireo fa fanaony izao asa ratsiny izao. Hidina ifotony hanara-maso ny fanatanterahana ny Tagnamaron’ ny fandriampahalemana sy ny fitsipika ifampifehezan’ny fokonolona izay efa napetrak’ izy ireo ny lehiben’ny vondro-tobi-pileovan’ny zandarimaria ao Ihorombe.

*
Tsiferana R.

Partager sur: