Niakatra fampanoavana omaly ny raharaha momba ireo mpirahavavy nanao sarimihetsika mamoafady. Ny zanany vao dimy taona ihany no nampilalaovina.
Fantatra tao anatin’izay fa 25 sy 21 taona izy roavavy ireto. Manan-janaka lahikely dimy taona ity zoky vavy. Nifanaraka iretsy mpirahavavy fa ilay ankizilahikely no hanaovana ity zava-mamoafady ity niaraka amin’ ilay rahavavin-dreniny. Tsy vitan’ny manimba sy mamotika fiainan’ankizy izy ireo fa hataony fitadiavam-bola mihitsy izany. Araka izany, amidy 10€ na koa manodidina ny 46.000Ar amin’ireo teratany vahiny ny horonantsary iray. Voalaza tao anatin’ny famotorana fa tsy vao izao akory ity zava-tsy fampiseho masoandro ity. Efa fanaon’izy mirahavavy izany ary saika ahitana ankizy tsy ampy taona daholo ireo horonan-tsary isan-karazany. Manana paik’ ady handresen-dahatra ireo ankizy mihitsy izy ireo, resahany moramora ilay zaza ka hoentiny miaraka aminy. Tambazany hividianan-javatra kosa rehefa vita izay natao.
Tsy lasa lavitra
Niparitaka tao anaty tambajotran-tserasera ireo sary sy “vidéo” feno vetaveta. Nisy nitondra teny amin’ny polisy ny raharaha, nisokatra nanaraka izay ny fanadihadiana. Vokany, voasambotra ireto mpirahavavy. Mbola tompon’ antoka amin’ny fanaparitahana ireo horonan-tsary mamoafady koa izy ireto. Niaiky ny asa ratsiny iretsy voasambotra. Nanaporofo izany koa ireo “video” hita tao anatin’ny findainy. Ankizy ao an-tranony ihany koa no fanaovana ity tranga mamoafady ity. Fantatra fa manodidina ny dimy ka hatramin’ny 14 taona ireo ankizy hatao fitadiavam-bola.
Henintsoa Hani