Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ ny boriborintany fahatelo (CSP3) Antaninandro teny Andravoahangay ambany, omaly, ireo jiolahy voarohirohy ho tompon’antoka tamina halatra fefy vy. Raha ny tatitra voaray avy amin’ny polisy, tokony ho tamin’ny 5 ora sy 30 mn maraina, nifanehatra tamin’ ireo jiolahy telo ireo ny polisy mpanao fisafoana amin’iny faritra manodidina an’Andravoahangy ambany lalana mihazo an’i Faravohitra iny. Fefy vy “grillages de cour” no tratra tany amin’izy ireo. Nandositra avy hatrany izy telo lahy raha vao nahita ireo polisy nanatona azy ireo. Napetrak’izy ireo kosa ilay fefy vy. Nitohy ihany ny fanenjehana nataon’ny polisy ka tratra tsy lavitra teo ry zalahy. Nentina natao fanadihadiana tany amin’ ny biraon’ny polisy ireto jiolahy ireto. Nilaza izy ireo nandritra ny famotorana fa novidiany tamin’olona hafa ireto entana ireto tamin’ny 2 ora maraina. Nomarihan’ny polisy fa tsy misy taratasy manaporofo izany akory teny amin’ izy ireo no mbola saika hitsoaka ihany koa. Niaiky ny heloka vitany ry zalahy nandritra ny famotorana nataon’ ny polisy.
J.C