Fandaharam-potoana lehibe miandry an’i Madagasi-kara, amin’ity taona 2023, eo amin’ny taranja basikety, ny fiatrehana ny fiadiana ny amboara eran-tany 3×3. Efa tafita hiatrika izany ny ekipa malagasy lehilahy, mbola hiady toerana kosa ny sokajy vehivavy. Mbola manana ny anjara toerany anefa ireto farany, misy toerana telo banga amin’ ity “Mondial 3×3” ity. Tsiahivina, firenena miisa 20 ny hiatrika ny fifaninanana. Ekipa 17 no efa fantatra ho an’ny vehivavy, toa an’i Autriche, Bresil, Canada, Chine, Egypte, France; Allemagne, Hongrie, Italie, Japon, Lithuanie, Mongolie, Pays-Bas, Pologne, Romanie, Espagne, USA.
Ekipa 20 toy izany koa ho an’ny sokajy lehilahy izay efa fantatra avokoa , ahitana an’i Australie, Autriche, Belgique, Brésil, France, Allemagne, Japon, Letonnie, Lithuanie, Madagascar, Mongolie, Pays-Bas, Pologne, Porto Rico, Serbie, Suisse, USA.
Marihana fa ny 6 sy 7 mey ho avy izao no hiatrika ny lalao sakana hiady io toerana io ny ekipa malagasy vehivavy. Efa mikotrana mafy, araka izany, ireo mpilalao izay manana fahavonona handrombaka ny tapakila ho any Viennes, Autriche. Efa niverina nanao fanazaran-tena ireo mpilalao miaraka amin’ny mpanazatra, rehefa avy niato kely nandritra ny fety. Nisy ihany koa ny toromarika avy amin’ny mpitantana ny federasiona malagasin’ny basikety nomena azy ireo, nialohan’ny fanazaran-tena.
Mi.Raz