Herinaratra : maka traikefa amin’i Rwanda ny Jirama

Nanana olana ihany koa ny orinasa mpamokatra herinaratra tany Rwanda, saingy tafarina tao anatin’ny fotoana fohy. Naka traikefa sy lesona tany an-toerana ny Jirama, niaraka tamin’ny solontenan’ny Banky iraisam-pirenena.

Nihaona tamin’ny sekretera maharitry ny minisiteran’ny Fotodrafi­trasa any Rwanda ny delega­siona avy aty Madagasikara, notarihin’ny solontenan’ny Banky iraisam-pirenena eto Madagasikara sy ny filohan’ny filankevim-pitantanan’ny orinasa Jirama, ny talata 7 febroary teo. Noresahana ny lafiny angovo sy ny herinaratra, ka nakan’ny delegasiona avy aty Madagasi­kara hevitra ny rafitra sy ny fomba fandrindrana ny asa an’ dry zareo Rwandey. Toraka izany koa ny paikadin’ny fandaharanasa samihafa misy any amin’ity firenena ity amin’ny lafiny famatsiana angovo sy herinaratra. Toy ny fitantanana ny foibe famokarana herina­ratra avy amin’ny loharanon’ angovo samihafa any Rwanda.

Foana vetivety ny delestazy

Ankoatra izany, nisy koa ny fihaonan’ny delegasiona avy aty Madagasikara tamin’ny mpitantana ny orinasa Rwanda energy group (REG). Nanana olana ihany koa ny orinasa sy ny tany Rwanda tamin’ny fama­tsiana herinaratra ho an’ny mpanjifa. Noraisina ny traikefa nanarenana ny orinasa faran’ izay haingana, sady nanafoa­nan’izy ireo ny delestazy tao anatin’ny fotoana fohy. Fantatra fa hisitraka herinaratra daholo ny mpanjifa (100%) amin’ny taona 2024 raha ny 25% amin’ izao fotoana izao. Mbola hitohy ity fakan’ny Jirama traikefa ity, hakana lesona ny fahaiza-manao sy ny fahaiza-mitantan’ny any Rwanda, raha mbola tsy foana ny delestazy eto amintsika ha­tramin’izao.

Tsiahivina fa nilaza ny mpitantana ny Jirama, tamin’ny taona 2022, fa hifandanja ny vola miditra sy ny mivoaka ao amin’ny orinasa amin’ny taona 2025. Nilaza koa ny filoham-pirenena fa amin’ny taona 2027 vao mety ho tapitra ny deles­tazy. Maro ny ezaka mila hatao.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: