60 taonan’ny Fimpima : omena lanja ny kabary sy ny fizahantany

Hatomboka amin’ny 18 fe­broary 2023 ho avy izao ny fankalazana ny faha-60 taona ny Fikambanan’ny mpikabary ma­lagasy (Fimpima). Hisy diabe hiainga eo amin’ny gara Soa­rano, hifarana eo amin’ny kianja malalaky ny Lapan’ny Tanàna. Hiarahan’ny Fimpima amin’ ireo mpisehatra amin’ny fizahantany ity hetsika ity.
Nampahatsiahivin’ny filohany, Rtoa Andriamboavonjy Hanitra, fa nisy ny fifanarahana natao sonia ny taona 2022, niarahan’ny Fimpima sy ny Ofi­sim-pirenena mikasika ny fizahantany (ONTM). Isan’ny he­tsika natao ny « Tsenaben’ny kabary » sy ny « Tsenaben’ny fiz­­ahantany ».
Hisy ny « Takarivan’ny fialamboly » amin’io 18 febroary io, hatao eny amin’ny Sakay rouge Itaosy. Iarahan’ny Fim­pima sy ny mpitaridia ara-pizahantany sy ny vondron’ny mpandraharaha (Tour opérateur). Hisongadina amin’izany ny kolontsaina malagasy, toy ny fangataham-bady fanaon’ny foko samihafa, adikan’ny mpisehatra amin’ny fizahantany amin’ny tenim-pirenena isan-karazany.

« Kabary tour »

Hatao amin’ny volana jona koa ny « Kabary tour », iarahana amin’ny vondron’ny Tour opérateur. Nilaza ny filohany, Rako­tonirina Angelo, fa haharitra 10 andro (13-23 jona) ity hetsika ity, miainga eto Antananarivo, Antsirabe, Ranomafana, Isalo ary Ifaty Toliara. Hampahafan­tatra ny vokatra sy ny kolon­tsain’ny foko 18 ireo mpitari-dia. Isan’ny miteny anglisy i An­drianampoina Diary, efa niofana mikasika ny kabary. Nam­barany, fa manotrona ireo hetsika ara-kolontsaina izy rehefa mitarika mpizahatany, manatrika famadihana, fora zaza, vodiondry malagasy, any amin’ny fa­ritra samihafa. « Nitombo ny fahalalako rehefa nianatra kabary aho », hoy ihany izy.

Njaka A.

Partager sur: