Firenena efa niara-niasa hatramin’izay i Madagasikara sy i Frantsa, araka ny nambaran’ny filoham-panjakana, ny kolonely Randrianirina Michaël, tamin’ny fahatongavany teny Ivato, afakomaly alina. Efa manana tantara iraisana koa hatramin’izay… Mitohy ny fiaraha-miasa. Nangatahin’ny Malagasy hatramin’izay ny fanavaozana ny fiaraha-miasa mba hahazoan’ny Malagasy tombony.
Manohana sy mandray anjara amin’ny fanatanterahana ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE) amin’izao fitondrana fanavaozana izao ny Vondrona eoropeanina (UE). Araka ny fihaonan’ny delegasionoin’ny UE, notarihin’ny ambasadaorony, i Roland Kobio, tamin’ny Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama, teny Mahazoarivo, afakomaly. Laharam-pahamehan’ny fitondrana ny sehatry ny toekarena sy ny fijerena akaiky ny fiainam-bahoaka.
Niroso tamin’ny fakan-kevitra hanomanana ny fiatrehana ny fikaonandoham-pirenena ho amin’ny fanavaozana ny Repoblika ny teo anivon’ny distrikan’i Mananara Avaratra, Faritra Ambatosoa, afakomaly. Nandray anjara tamin’izany ny tomponandraiki-panjakana teo an-toerana, ny olom-boafidy,
ny mpandraharaha, ny mpanao politika, ny olom-pirenena… Rehefa natao ny tsangan-tanana, maro anisa ny manaiky ny hananganana Repoblika
federaly.




