SOMBIM-BAOVAO

Fanitsiana ny lahatsoratra nivoaka omaly talata 3 marsa 2026, mahakasika ilay fifaninanana ho an’ny ankizy. « Ankizy milalao », andiany faharoa, no tena anaran’ilay hetsika karakarain’ny Analakely Football Academy (Afa) etsy Betongolo, ny 7-8 marsa ho avy izao, fa tsy « Kilonga milalao ». Marihina fa fotoana iray ahafahan’ny ankizy misehatra amin’ny lalao baolina kitra io hatao eny Betongolo io.

Hotontosaina ny alarobia 11 marsa ho avy izao, etsy Mahamasina, ny fifidianana izay ho filohan’ny Federasionina malagasin’ny taranja tenisy ambony latabatra « Ping Pong ». Hifarana ny alatsinainy 9 marsa ho avy izao ny firotsahan-kofidina ho an’izay maniry ny hitantana ity rafitra federaly ity. Marihina fa efa nahavita ny fifidianana omaly, tetsy Mahamasina, ny eo anivon’ny ligin’Analamanga.

Hiditra amin’ny dingana manasa-dalana, amin’ny faran’ity herinandro ity, ny fiadiana ny tompondaka eo anivon’ny seksionina taranja basikety. Eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina no hanatanterahina izany, araka ny fandaharam-potoana.

Partager sur: