Hasarotam-piaro diso tafahoatra. Lehilahy iray nahavita namira zava-maranitra sy namono
an-dramatoa vadiny raha nahatazana azy niresaka tamin’ny rain-janany tao Ivandriky, Beroroha.
Nandrika ny ra tao amin’ ny fokontany Ivandriky, kaominina Tanandava, distrika Beroroha afakomaly tokony ho tamin’ ny 03 ora tolakandro. Renim-pianakaviana iray manodidina ny 30 taona teo no maty. Novonoin’ny vadiny tamin’ny fomba feno habibiana izy. Taorian’io, maty voatifitry ny miaramila koa ilay nahavanon-doza.
Tamin’io fotoana io, tazan’ilay rangaha niaraka tamin’ny rain-janany ilay ramatoa vadiny. Nanomboka teo ny disadisa, niakatra ny feo. Tsy nahatsindry fo ralehilahy ka nahavita namono ny vadiny. Nofirainy famaky mihitsy izy ka tapitra hatramin’ny ainy, hoy ny fanazavan’ny zandary ao an-toerana misahana ny famotorana. Nambarany fa niezaka niaro ilay ramatoa io ihany ny rain-janany saingy tsy nahatohitra ity vadiny. Vita izay, nitsoaka avy hatrany ilay namono. Etsy ankilany nanenjika azy avy hatrany ireo mpitandro filaminana vantany vao naheno ny vaovao. Tsy lasa lavitra fa reraka teny an-dalana ralehilahy ka saika hanohitra ny tafika sy ny zandary nanenjika azy.
Be hambom-po
“Tsy nanaiky hametraka ilay zava-maranitra teny an-tanany ilay lehilahy ary namaly mpitandro filaminana mihitsy. Tsy hapetrako ity fa manantona ianareo, hoy izy” raha ny angom-baovao voaray. Vokany, voatery nitifitr’azy ny miaramila. Naratra mafy ity nahavanon-doza saingy mbola noentina teny amin’ny hopitaly. Tsy tana anefa ny ainy na dia nanao ny ezaka rehetra aza ireo dokotera nandray azy.
Tsy mbola niteraka tamin-dramatoa vadiny maty ity nahavanon-doza, hoy ny fanazavan’ny zandary. Ilay vehivavy kosa namela kamboty. Hatramin’izao tsy mbola fantatra ireo handray sy hikarakara an’ireo ankizy maty reny. Eo anivon’ny fianakaviany izy ireo ary mbola eo am-pikarakarana ny razana ihany koa.
Omaly, nivory vonjimaika ny mpitandro filaminana ao an-toerana. Voadinika tamin’ izay ny tokony hamehezana ireo mpiara-belona, hisorohana ny trangan-javatra toy izao. Mitohy manaraka izay koa ny famotorana ny raharaha.
Henintsoa Hani