Mipaka hatrany amin’ny faritra ny adin’ny mpitantana fiangonana Jesosy Mamonjy amin’izao fotoana. Ny pasitera ao Ankafina Tsarafidy, distrikan’Ambohimahasoa indray no nifampitory ny alatsinainy teo. Nivory tsy ara-potoana noho izany ireo mpikambana ao amin’ny OMC ao amin’ny distrikan’Ambohimahasoa. Nitarika izany ny lehiben’ny distrika ao an-toerana, omaly. Nodinihana nandritra izany, ny fitoriana napetraky ny mpitandrina vaovao voatendry hitantana ny fiangonana ao an-toerana. Ny pasitera nitondra ny fiangonana teo aloha io toriany io. Ity farany izay tsy manaiky hiala amin’ny toerany. Raha tsiahivina, nisy ny fanendrena ity mpitory ho mpitandrina ny fiangonana Jesosy Mamonjy ao Ankafina Tsarafidy, ny taona 2022 saingy tsy nanaiky niala teo amin’ ny toerany ny toriana. Nametraka fitoriana eo anivon’ny distrikan’Ambohimahasoa io mpitandrina vaovao io satria tsy vitan’ny tsy miala amin’ny toerana ilay toriana fa manimba ny fitaovam-piangonana ihany koa. Efa nandray fepetra hanakatonana ny fiangonana ny eo anivon’ny distrika ao an-toerana saingy mitsipaka izany ilay mpitandrina teo aloha.
Tsiferana R.