Nihena 200 Ar ny vidin-tsolika mihatra ho an’ity volana ity. Fepetra nihatra nanomboka ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy teo, araka ny fanitsiana isam-bolana.
Nihena 200 Ar avokoa ny vidin-tsolika eto Madagasikara, raha oharina ny tamin’ny volana febroary teo. Araka izany, nidina 4 900Ar ny litatry ny lasantsy (SP95) raha toa ka 5 100Ar izany teo aloha. Lasa 4 660Ar ny litatry ny gazoala izay novidiana 4 860Ar teo aloha. Mihena 3 510Ar ny solika fandrehitra mandritra ity volana ity raha 3 710Ar izany, araka ny tatitra navoakan’ny Ofisy malagasy misahana ny Akoranafo (OMH). Ity farany izay efa nanambara tamin’ny volana febroary fa hisy fidinana roa misesy ny vidin-tsolika, ny volana marsa sy avrily. Vinavina izay nifototra tamin’ny fanadihadiana momba ny vidin’ny baril eo amin’ny tsena iraisam-pirenena sy ny fahamarinan’ny vola malagasy. Tsikaritra izany tamin’ny fidinan’ny vidin-tsolika ny volana janoary teo sy ny vidiny amin’izao fotoana. Na izany, ahina ny hiakatra ny vidin-tsolika eto Madagasikara amin’ny volana manaraka manoloana ny ady any Iran sy ny fiakaran’ny vidin’ny solika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, izay efa mihoatra ny 80 dolara nanomboka ny talata teo.
Toekarena
Andry iankinan’ny fampandrosoana ny toekarena ny solika noho izy miantoka ny fiodonan’ny orinasa, ny fitaterana ary mpandrahara madinika sy salantsalany miankindoha amin’ny fampiasana solika. Tsiahivina fa andro vitsy lasa izay no nanambara ny OMH fa mbola ampy ny tahirin-tsolika eto Madagasikara na eo aza ny ady ao Moyen-Orient. Notsindriny manokana fa miainga avy amin’ny seranan-tsambon’i Sohar, ao avaratr’i Sultanat d’Oman, ao amin’ny Golfe d’Oman ny sambo mpamatsy solika an’i Madagasikara. Seranan-tsambo stratejika aty amin’ny fivoahan’ny détroit d’Ormuz.
Henintsoa




