Ho tapaka ny fifamoivoizana any Andalamahitsy RN4, eo Ramala (PK179) sy ny PK 185, ny 6 sy 7 marsa ho avy izao. Manomboka amin’ny 7 ora maraina izany hatramin’ny 4 ora hariva. Antony, hisy asa fandrarahana godirao amin’ireo ampahan-dalana ireo. Tsy misy ny fivilian-dalana (déviation). Voarara tanteraka ny fandehanan’ny fiara vaventy amin’ireo ora ireo, fa atao mifandimby kosa ho an’ny fiara madinika.
Hisy fitaterana manokana fanampiny ny zotra an-dalamby «Train urbain», ny sabotsy 7 marsa izao. Ankoatra ny ora mahazatra, amin’ny 11 ora maraina io fiaingana io, eo amin’ny Gara Soarano, tonga eny Ambohimanambola amin’ny 12 ora atoandro. Tanjona, ny hisarihana ny rehetra, hisitraka ny zotra an-dalamby amin’io faran’ny herinandro io.
Nirohotra nitrandraka volamena tany Mananjary, fokontany Ampitabe, kaominina Andranambolava. Nijery ifotony ny zava-misy ny fitantanam-paritry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny tomponandraikitra isan-tsokajiny. Nohazavaina tamin’ireo mpitrandraka ny lalàna manan-kery. Tapaka fa hatsangana ny fikambanan’ny mpitrandraka madinika volamena.




