Niaka-dapa ny ekipa malagasy, Barean’i Madagasikara, omaly, rehefa avy nandrombaka ny medaly alimo, nandritra ny fiadiana ny tompondaka an’i Afrika (CHAN), taranja baolina kitra, natao tany Alzeria. Nankasitraka ny ezaka vitan’izy ireo ny fitondram-panjakana.
Notolorana mari-boninahitra sy nomena fankasitrahana manokana ireo mpilalao sy ny mpanazatra, ary ny ekipa teknika miisa 9, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, omaly. Nambaran’ny filoham-pirenena malagasy, Rajoelina Andry fa nisongadina ny Barea nandritra iny CHAN iny. Nambarany fa nanaporofo ny firaisankina ireo mpilalao ka tena mendrika ny homena sitraka. “Matoky aho fa ho lasa lavitra ny baolina kitra Malagasy raha mampiseho firaisankina ny rehetra”, hoy ny nambarany.
Tetsy ankilany, nanamafy ny Minisitry ny tanora sy fanatanjahantena, Tinoka Roberto, fa manana ny anjara toerany eto amin’ny kontinanta afrikanina, ny baolina kitra malagasy. “Tsy misy, ny kisendrasendra fa mila manana fahavononana sy fikirizana raha te hahazo vokatra tsara, noporofoin’ny Barea izany”, hoy izy. Nambaran’ny minisitra koa fa ilaina ny fotodrafitrasa toy ny kianja Barea sy ny kianjan’ny Barikadimy, izay nahazoan’ny mpilalao vokatra tahaka izao.
Nankasitrahana manokana ny mpilalao 5
Notolorana ny mari-boninahitra “Chevalier de l’ordre national” ny mpilalao 23 mirahalahy sy ny Coach Rôrô ary “Commandeur de l’ordre de mérite” kosa ny an’i Dax. Nahazo ny “Chevalier de l’ordre de mérite” ny ekipa teknika miisa 9.
Nankasitrahana manokana, nahazo ny “Chevalier de l’ordre de mérite sportif» kosa ny mpilalao dimy : Nina, Dax, Koloina, Tsiry ary Jean Yves. Ankoatra izay, nahazo “prime special” tsirairay ny mpilalao 24 mirahalahy sy ny ekipa teknika niaraka tamin’izy ireo. Nisaotra ny fihetsika nasehon’ny fitondram-panjakana ny mpanazatra ny Barea. Nohamafisiny fa nanao ho zava-dehibe ny fanohanana ny Barea ny fitondrana. Tsy adinon’I Me Rôrô ihany koa ny klioba nipoiran’ny mpilalao izay namolavolavola azy ireo.
Ankilany, nanambara ny teo anivon’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra fa hojerena manokana ny fanomezana valin-kasasarana ho an’ireo ekipa malagasy. “Hoezahina ny hanome karama ireo mpilalao, mba hampitombo ny fahavononan’izy ireo”, hoy ny filoha lefitry ny FMF, Randriamanampisoa Alfred.
Mi.Raz