Basikety – JIOI 2023 : hanala vela amin’i Mayotte ny Cospn

Hotanterahina amin’ny 13 febroary ho avy izao ny lalao iraisam-pirenena taranja basikety, izay hifanandrinan’ny Cospn Madagasikara sy ny ekipam-pirenen’i Mayotte. Ara­ka izany, hanala vela
amin’ity farany ao amin’ny kianja Palais de Sport Maha­masina, ny ekipa malagasy. Tsiahivina fa resin’ny vahiny tamin’ny isa 69 no ho 61 ny ekipan’ny polisy nasionaly, omaly.
Natao ho lalao fitsapana ny ekipa malagasy sy ny fanomanan’ ny ekipa Mahorais ny lalaon’ny Nosy JIOI 2023, izay atao eto amintsika, ity fihaonana ity. Lalao ara-pirahalahiana maharitra dimy andro. Nanomboka ny talata 7 ka hifarana ny 15 febroary ho avy izao.
Ankoatra izay, hiverina hihaona amin’ny GNBC ny ekipam-pirenen’i Mayotte, amin’ny 14 febroary. Hotan­terahina eny amin’ny Palais des Sports Mahamasina ny lalao.
Ny 15 febroary, hitambatra ny GNBC sy ny Cospn Madagasikara amin’ny lalao farany hifanandrinana amin’i Mayotte.

Fitia (Mpianatra asa)

Ny fandaharam-potoana manaraka

13/02/2023
Kianja Palais de Sport
4 ora : Cospn Mada vs Mayotte
14/02/2023
Kianja Palais de Sport
4 ora : GNBC Mada vs Mayotte
15/02/2023
Kianja Palais de Sport
4 ora : GNBC + Cospn Mada vs Mayotte

Partager sur: