Mampitombo ny fidiram-bolan’ny tantsaha ny fambolena « orge », akora fototra hanamboarana labiera. Mitaraina, ankehitriny, ny mpamboly any Fianarantsoa. Nihena ny tinady, izany hoe, ny famandrihana ataon’ny mpandray ny vokatra, ka voatery nahena koa ny velaran-tany ambolena « orge ». Voafetra ho 850 ha sisa ny fitambaran’ny velaran-tany, raha 1 200 ha teo aloha. Nihena, ho 1 700 Ar/kg, no ividian’ny orinasa Malto, amin’izao taona 2026 izao, raha 1 750 Ar tamin’ny taona 2025.
Notsorin’ny renim-pianakaviana iray, mpamboly any amin’ny kaominina Ambovombe Centre, distrika Manandriana, Amoron’i Mania, fa « miantehitra amin’ny vola azo avy amin’ ny fambolena « orge » ny saram-pianaran’ny ankizy hatrany amin’ny oniversite. Manahy izahay, sao tsy hisy intsony ny fiaraha-miasa amin’ny Malto. Maro anefa ny tohan’ity orinasa ity ho anay, toy ny fanarenana sekoly, fananganana tohodrano, sns ».
Antony, nisondrotra ny hetra alaina amin’ny labiera, tafakatra telo heny tato anatin’ny 5 taona. Lasa 850 Ar/litatra, raha 290 Ar/l tamin’ny taona 2020. Vokany, misondrotra ny vidin’ny labiera. Manaitra ny fanjakana hijery akaiky ity seha-pihariana sy lafiny hetra ity ireo tantsaha any ifotony.
Njaka A.




