Heverina hiverina amin’ny laonina ny famatsiana solika ao Toliara manomboka androany. Kamiao lehibe roa mitondra solika avy any Toamasina no nalefa vonjimaika hamatsy ireo tobin-tsolika any an-toerana. Marihina fa nisy ny fikorontanan’ny famatsiana noho ny fahataran’ny sambo mitondra izany. Tombanana ho efa tonga ao amin’ny seranan-tsambo, omaly, ny sambo mpitatitra solika.
Miverina tsikelikely amin’ny laoniny ny famatsiana rano ao Toamasina. Nampitomboina ny famokarana rano ao Farafaty, nisy ihany koa ny kamiao mpitondra rano nanampy ireo faritra mbola sahirana. Marihina fa nampiana tosika ny famokarana sy ho famatsian-drano ny isan-tokantrano ny minisiteran’ny Rano, ny fanadiovana sy ny fidiovana.
Velaran-tany mirefy 7,15 ha no niverina amin’ny laoniny taorian’ny fambolen-kazo nataon’ireo vondron’olona ifotony “Tsimagnavaky” ao Ambivibenetsy, kaominina Belo Tsiribihina. Tsiahivina fa isan’ireo mpanapaka ala honko izy ireo talohan’ny taona 2022 ary resy lahatra hiaro izany taorian’ny fanentanana sy fifanakalozan-kevitra natao. Vokany, nitombo ny drakaka sy ny hazandrano ary niverina ny aina tao anaty ala honko.




