Nanara-maso ny fizarana ny vola fiahiana ara-tsosialy Asa Avotra Mirindra, tany amin’ny faritr’Amoron’i Mania, distrikan’i Manandriana, kaominina Anjoman’Ankona, ny praiminisitra lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian niaraka tamin’ny minisitry ny Mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy, Soafilira Princia, omaly.
Nandritra izany no nandefasana ny vola andiany faharoa tamin’ny hetsika in’enina miantoana ho fanampiana ny mponina any an-toerana. Nanomboka omaly, nampiakarina 6000 Ar isaky ny tapak’andro ny vola raisin’ireo mpisitraka raha 4500Ar izany teo aloha. Raisina isaky ny 20 andro ny vola hahafahan’ireo tokantrano mivoatra sy havitrika amin’ny asa fambolena sy fiompiana. Tokantrano sahirana miisa 7000 avy amin’ny kaominina 10 ao amin’ny distrikan’i Manandriana no nisitraka izany. Toy ny tao amin’nykaominina Ambatomarina, Ambohimahazo, Ambohimilanja, Ambohipo, Ambovombe Centre, Anjoma Nandihizana, Anjoman’Akona, Ilanjana, Soatanana ary Vinany Andakatanikely. Nilaza ihany ny praiminisitra fa hisitraka ny tetikasa ireo kaominina roa hafa ao amin’ny distrikan’i Manandriana.
Tetikasa Asa Avotra Mirindra miompana amin’ny famokarana sy fihariana ary fiainana mihatsara no tanterahina any an-toerana.
Anisan’ny asa nisongadina ny fambolena tamina velaran-tany mirefy 97 Ha sy ny famokarana zana-trondro miisa 358.000. Ankoatra izay ny fanadiovana lakandrano mirefy 218.238 m sy famokarana zanakazo miisa 977.285. Nifanindran-dalana tamin’ny tohana ny fanomezana fiofanana amin’ny teknikam-pambolena sy fiompiana hahazoana vokatra bebe kokoa. Nisy ny fanentanana amin’ny fanaovam-baksiny miaro amin’ny covid-19, fampiasana lavapiringa, fanaovana karapanondrom-pirenena…
Distrika telo ao amin’ny faritra Amoron’i Mania no misitraka ny tetikasa Asa Avotra Mirindra. Anisan’izany Manandriana sy Ambositra ary Fandriana. Mitontaly 22.500 tokantrano ny mpisitraka. Hiitatra amin’ny distrikan’ Ambatofinandrahana ny tetikasa ato ho ato. Nataon’ny filoham-pirenena ho laharam-pahamehana ny fiahiana ny sosialim-bahoaka. « Taonan’ ny sosialy ny 2023. Natao tao anatin’ny efa-taona ny fananganana fotodrafitrasa fa hifantoka amin’ny sosialim-bahoaka izao », hoy ny praiminisitra lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian.
Tatiana A