Nijery ifotony ireo fotodrafitrasan’ny minisitera, rava vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Gezani, ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanambola, ny Dr. Ramiarison Herinjatovo Aimé, ny faran’ny herinandro teo. Potika tanteraka ireo fitaovana iasan’ny mpiasa, izay iankinan’ny fampandrosoana ny toekarem-pirenena. Manoloana ireo, nanolotra fitaovana maro ny minisitera foibe, toy ny solosaina miisa 62, solosaina entin-tanana miisa 8. Eo koa ny latabatra miisa 123 sy kojakoja miaraka aminy. Miampy vata fampirimana antontan-taratasy miisa 85, kojakoja informatika, sns.
Noho ny fahasimban’ny biraon’ireo mpiasa any Toamasina, natoby ao amin’ny tranobe, Hotel des Finances, ny ankamaroan’ny biraon’ny minisitera sy ny rantsamangaika samihafa any an-toerana, eo ambany fiahian’ny minisitera foibe MEF.
Nandritra ny fihaonan’ny minisitra tamin’ny mpiasa, nampahatsiahiviny ireo andry telo lehibe iorenan’ny minisitera. Ny fampandehanana ny toekarena, ny fitsinjarana ny fandaniana mba hitondra vokatra bebe kokoa ary ny fampidiram-bola amin’ny kitapombolam-panjakana.
Ankoatra ireo, nitsidika ny Oniversite Barikadimy ihany koa ny tenany, niaraka tamin’ ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ary ny solontena maharitry ny Banky iraisam-pirenena eto amintsika.
Njaka A.




