Fanabeazam-pirenena : hiroso amin’ny rafitra vaovao

Nitafa tamin’ny mpanao gazety tetsy Anosy, ny sekretera jeneralin’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena Rabe­nan­dra­sana Théophil, omaly. Nohamafisiny ny fivoahan’ny lalàna vaovao mikasika ny rafi-panabeazana eto Madaga­sikara. Efa nivoaka omaly ny naoty manamafy izany.
Arak’io lalàna io, halavaina ny fotoam-pianarana fanabeazana fototra. Ahemotra 6 taona izany raha toa ka 5 taona teo aloha. Maharitra telo taona kosa ny « sous-cycle » rehetra ao amin’ny fanabeazana fototra. Hisy ny tombanana arahina mari-pankasitrahana isaky ny faran’izany. Faharoa, tsy maintsy atao ny fanabeazana ankizikely sy ny kolejy. Izany hoe ma­haritra 10 taona ny fampianarana tsy maintsy atao eto Madagasikara.
Farany, hamafisina ny fa­nabeazana ireo zaza sy ankizy manana fahasembanana amin’ ny lafiny rehetra. Ankoatr’ izay, haharitra 10 volana ny fe-potoana hianaran’ny mpianatra ao anatin’ity rafitra vaovao ity. “Hampiha­rina miandalana io rafitra vaovao io satria fanamby lehibe izany ka tsy vita ao anatin’iray andro” hoy izy. Tanjona ny fametrahana fanabeazana mampiaty sy ara-kalitao ho an’ny rehetra eto Ma­dagasikara.

Maimaim-poana ny saram-pisoratana anarana

Nohamafisiny fa maimaimpoana avokoa ny saram-pisoratana anarana ho an’ireo ankizy hanala ny fanadinam-panjakana sahanin’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena. Voakasik’izany ny fanadinana CEPE sy BEPC. “Anja­ran’ny Ray aman-dreny ny miala vola amin’ny fikarakarana sy fanomanana ny an­ton­tan-taratasy rehetra amin’izany, toy ny sary tapaka sy ny kopia” hoy izy. No­hama­fisiny fa tokony tsy hisy intsony ny fakana vola amin’ny mpianatra sy Ray aman-dreny eny anivon’ny sekoly sy ny fi­tsarana fanadinana tsirairay avy eny.
Tsiahivina fa efa misy ny zava-bita amin’ny fanavaozana ny rafi-panabeazana vaovao, hoy ny tompon’andraikitra. Toy ny fanavaozana ny fotodrafitrasa ho an’ny sekoly sy fanofanana ireo mpampianatra.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: