VINAN’IARIVO : olona 455 nizaha fahasalamana

Tafiditra ao anatin’ny vi­nan’Iarivo ny hetsika ara-paha­salamana manakaiky va­hoaka. Isaky ny tapabolana, mikarakara hetsika ara-pahasalamana ny kaominina Anta­nanarivo Renivohitra. Mifan­dim­by misitraka izany ireo fokontany eny anivon’ny boriboritany enina. Omaly, ny fokontany Anjanahary II O – Boriboritany faha-V no nanatanterahana izany. Naharitra efatra andro ny hetsika.
Maro ny tolotra nomena ny vahoaka teny an-toerana. Niarahan’ny ekipan’ny fitaleavana misahana ny asa sosialy sy fahasalamana avy eo anivon’ny CUA sy ireo mpiara-miombon’antoka ny hetsika. Nisy ny fizahana maso sy fivarotana solomaso amin’ny vidiny mirary, tohana avy amin’ny Lions Sight First. Nisy ny fandanjana sy fanaraha-maso ny toe-pahasalaman’ny zaza ary fivarotana koba Aina, niaraka tamin’ny Nutri’ zaza. Manginy fotsiny ny fitiliana diabeta sy fanomezana fanafody miaraka amin’ny Microlab sy distilab. Ankoatra ireo, nisy ny “clinique mobile” misahana ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana ho an’ny vehivavy. Afaka nanao fizaham-pahasalamana amin’ny ankapobeny sy fijerena tosidra maimaim-poana ny mponina.
Nahatratra 455 ireo mponina nijery ny toe-pahasalamany teny Anjanahary II O, nandritra ny telo andro voalohany. Tonga teny an-toerana ny ben’ny Tanànan’Antana­narivo Renivohitra, Andrian­tsito­haina Naina sy ny Lefiny. Afaka tapa-bolana, ny fokontany Andranomanalina- boriboritany I indray no hanatanterahana ny hetsika ara-pahasalamana manakaiky vahoaka, toy izao.

Vonjy A.

Partager sur: