VAOVAO TAMBATRA

Midangana ny vidin’ny legioma eny an-tsena, amin’izao fotoana. Noho ny orana nisesisesy izay nitarika fahasimban’ny vokatra sy ny lalana no voalaza ho nahatonga izany. Mivarotra amin’ny fatiantoka ny tan­tsaha satria kely ny fahefan’ny mpanjifa. Vokany, tsy mandeha ny tsena, mihena ihany koa ny fidiram-
bolan’ireo tantsaha sy mpamokatra.

Miteraka fitohanana goavana ny fahasimban’ ny lalana eto an-dRenivohitra. Lany fotoana sy voa­tery mifindra fiara matetika ny ankamaroan’ireo olona mamonjy ora sy fotoana. Miantraika tanteraka amin’ny toekarena ny fitohanana satria mampitombo ny solika vidiana. Mampitombo ihany koa ny fanafaran’i Mada­gasikara ka mampiiba ny sandam-bolantsika.

Honko 83 000 no voavoly, tamina velarana
3 ha, tao Sabora ho fanarenana io sehatra io, nandritra ny fankalazana ny « Andro iraisam-pirenena ho an’ ny zon’ny vehivavy ». Nisy ny hetsika samihafa nanamarihina ity fotoan-dehibe ity, niarahana tamin’ireo vondron’olona ifotony, handraisan’anjara amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy nanasongadinana ny andraikitra lehibe raisin’ny vehivavy. Tao Kivalo, nandray anjara tamin’ny fanarenana ny ala honko ny vehivavy ka nahafahan’izy ireo nanamafy ny fahaiza-manaony.

Partager sur: